• Alatsinainy 16 Febroary 2015
Actualités.Mpanao gazety voaendaka Very ny vola sy finday ary ny fitaovana rehetra

Ndeha hanakana fiarakaretsaka handeha hody eny Ambodihady Ambohimanarina i Rivo Andrianalimanana, mpanao gazetin'ny Space Radio, no nisy nanendaka teo Soarano ampitan'ny Biraon'ny Boriborintany voalohany ny harivan'ny zoma 13 febroary tokony ho tamin'ny valo ora alina.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Febroary 2015
Actualités.ONIVERSITE MAHAJANGA Hiditra anio ny mpianatra

Niatomboka tamin’ny fanadiovana faobe niarahan’ny mpampianatra, ny mpianatra ary ny mpiasan’ny oniversiten’i Mahajanga ny fidirana amin’ny taom-pianarana 2014-2015. Efa vonona ireo mpianatra sy ny mpampianatra ny amin’ny fiatrehana io taom-pianarana vaovao izay tokony hanomboka anio alatsinainy

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Febroary 2015
Actualités.Oniversiten’Antsirabe Roso ny fanorenana

Ny alakamisy 12 febroary lasa teo no natomboka ny fanorenana ny biraon’ny mpampianatra sy ny kilasy lehibe iray misy efitra roa hanaovana ilay oniversiten’Antsirabe, fiaraha-miasan’ny Faritra sy ny oniversiten’Antananarivo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Febroary 2015
Actualités.Voka-dratsin’ny Rivodoza FUNDI Olona 5 maty, 13 335 traboina

Olona 5 no fantatra fa namoy ny ainy, miisa 13.335 kosa no traboina, trano 1.754 dibo-drano, trano 1.123 hafa rava tanteraka. Izay no tatitra avy any amin’ny BNGRC vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fundi teto Madagasikara

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Febroary 2015
Actualités.Safira any Andilamena Nomena 10 andro hikarakarana taratasy ireo mpitrandraka

Samy mandeha samy mitady ! Izay no azo hanambarana ny zavatra miseho any Andilamena amin’ilay fitrandrahana vato sarobidy. Samy mamaritra dia mitsapa ny vintany ireo olona tonga mitrandraka safira any an-toerana

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 16 Febroary 2015
Actualités.Maizina ny tanàna, mirongatra ny asan-jiolahy Lehilahy iray no maty nisy namono tao Tanambao V

Vokatry ny fahatapahan-jiro lavareny tao Toamasina ny alarobia sy ny alakamisy teo noho ny fahasimban’ny fitaovana mpamokatra herinaratra ny jirama, dia nitrangana vono olona noho ny haizina tao Tanambao V mihazo ny lalana Ambolomadinika iny.

Hamaky ny tohiny
FTT