Actualités

Oniversiten’Antsirabe Roso ny fanorenana


  • Alatsinainy 16 Febroary 2015

Ny alakamisy 12 febroary lasa teo no natomboka ny fanorenana ny biraon’ny mpampianatra sy ny kilasy lehibe iray misy efitra roa hanaovana ilay oniversiten’Antsirabe, fiaraha-miasan’ny Faritra sy ny oniversiten’Antananarivo.



  Nambaran’Atoa Andriamasimanana Samuel Bertin, lehiben’ny faritra fa ahafahana manomboka avy hatrany ny asa ho fitsinjovana ireo mpianatra izay efa tsy mitsaha-mitombo no nanombohana ny asa izay mandritra ny 4 volana eo ny fanorenana voalohany ary manohana azy ireo ny Orinasa Holcim Ibity. Miditra taona faharoa moa no nisokafan’ity rantsan’ny oniversiten’Antananarivo ity ao Vakinankaratra ka amin’izao fotoana dia ny Akademia Miaramila sy ny CRINFP ary ny Faritra no mifanome tanana amin’ny efitrano fianarana aloha hatreto. Raha ny nambaran’i Profesora Rakotonirainy, Tale mitantana ny rantsan’ny oniversiten’i Vakinankaratra dia mbola hisy ny fandraisan’anjaran’ny fitondram-panjakana amin’ny fanorenana azy ity satria tena ho lasa « Campus Universitaire », goavana mihitsy no haorina any an-toerana, hiarahana amin’ny BAD. Efa miroso ny dinika manodidina izany hatreto ary azo antoka fa tsy maintsy ho tanteraka. Hisy trano ho an’ny mpianatra sy toeram-pilalaovana fanatanjahantena isan-karazany moa hiorina eny amin’ity toerana ity amin’ny maha «Campus Universitaire» azy any aoriana any ary hisokatra amina lalam-piofanana maro any aoriana raha mbola ny polyteknika aloha hatreto no misantatra azy.

Caïus R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT