Vokatry ny fahatapahan-jiro lavareny tao Toamasina ny alarobia sy ny alakamisy teo noho ny fahasimban’ny fitaovana mpamokatra herinaratra ny jirama, dia nitrangana vono olona noho ny haizina tao Tanambao V mihazo ny lalana Ambolomadinika iny.
Maty noho ny daroka sy tsindron’antsy nahazo azy i Angelo, ka lasan’ireo jiolahy tamin’izany ny moto scooter nentiny sy ny solosaina fampiasany amin’ny asany ary ny karama izay vao avy nalaina. Tsy vitan’ny famonoana fa mbola nidiran’izy ireo koa ny tranony, ka lasa avokoa ireo entana lafo vidy rehetra, izy raha teo vao nisara-bady tsy ela ka mipetra-drery. Tsy hay na misy ifandraisany amin’ny fisarahan’izy sy ity olon-tiany ity ny raharaha, fa eo am-panadihadiana ny raharaha ny mpitandro ny filaminana misahana ny heloka bevava. Ankoatra ity raharaha nahafaty an’i Angelo tao Tanambao V ity, noho io fahatapahan-jiro nitranga noho ny fitaovana simba teo anivon’ny jirama io, dia « cyber-café » 4 no nisy namaky ka very avokoa ny fitaovana rehetra tao Ankirihiry. Tokantrano 2 kosa no nisy namaky ihany koa, ka lasa avokoa ny entana sarobidy tao an-tranon’izy ireo nandritra izany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.