Samy mandeha samy mitady ! Izay no azo hanambarana ny zavatra miseho any Andilamena amin’ilay fitrandrahana vato sarobidy. Samy mamaritra dia mitsapa ny vintany ireo olona tonga mitrandraka safira any an-toerana
. Tsara ny kalitaon’ny vato any ka mihazakazaka mandeha any avokoa ireo vahiny mpanao io bizina safira io. Nambaran’ny tomponandraikitra iray avy eo anivon’ny sampandraharahan’ny harena ankibon’ny tany fa nisy ny fepetra nasaina narahan’ireo mpitrandraka, ka raha tsy mahatontosa izany izy ireo ao anatin’ny hafoloana dia hisy ny fanafoanana ity fitrandrahana safira any Andilamena ity. Misy amin’ireo mpitrandraka anefa milaza fa efa nandoa vola izy ireo ka tsy hanaiky ny hiala any an-toerana. Betsaka rahateo ireo efa nahita tombontsoa ka mahatonga ny hafa voasarika amin’ity fihariana iray ity.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.