Ndeha hanakana fiarakaretsaka handeha hody eny Ambodihady Ambohimanarina i Rivo Andrianalimanana, mpanao gazetin'ny Space Radio, no nisy nanendaka teo Soarano ampitan'ny Biraon'ny Boriborintany voalohany ny harivan'ny zoma 13 febroary tokony ho tamin'ny valo ora alina.
Dimy lahy no indray nitangorona taminy, ny sasany nanambana sabatra, ny hafa nampiasa "taser" na ilay fitaovana mamoaka herinaratra mahery vaika, tao ny naka ny kitapo teny am-bozonany. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nanaovan'ireo mpanendaka ny "opération", tsy nahavita niantso vonjy akory i Rivo. Very tamin'izany ny finday roa, fitaovana fandraisam-peo roa, vola maherin'ny valo alina Ariary, ary antontan-taratasy maro amin'ny anarany toy ny kara-panondrom-pirenena sy karatra maha mpanao gazety sy an'ny Fiangonana Fjkm Ambodihady Vaovao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.