Niatomboka tamin’ny fanadiovana faobe niarahan’ny mpampianatra, ny mpianatra ary ny mpiasan’ny oniversiten’i Mahajanga ny fidirana amin’ny taom-pianarana 2014-2015. Efa vonona ireo mpianatra sy ny mpampianatra ny amin’ny fiatrehana io taom-pianarana vaovao izay tokony hanomboka anio alatsinainy
. Tsy misy intsony ny olana eo amin’ny mpianatra mpitokona sy ny mpampianatra fa dia ny firaisankina no tanjona. Hiverina eny amin’ny campus Ambondrona avokoa mantsy ny fampianarana rehetra izay efa ela no niandrasana azy io taorian’ny famaliana ny fitakian’ireo mpianatra. Amin’ny ankapobeny dia azo antoka ny filaminana eny Ambondrona ny amin’ny fandraisana ireo mpianatra vaovao ireo. Irina ny tsy hisian’ny korontana intsony satria dia efa samy nanaiky ireo fototra ny olana fa tsy hamerina izany intsony.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.