• Talata 17 Febroary 2015
Actualités.Alaotra Mitokona ao anatin’ny roa andro ny zotra nasionaly

Noho ny faharatsian-dalana sy ny fihoaram-pefy ataon’ny kamiao mitatitra Kraoma ao amin’ny lalam-pirenena faha-44, manatanteraka fitokonana roa andro ny tompon’ny fiarakodia miasa ao amin’ny zotra nasionaly mampitohy ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro amin’ny renivohitr’i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Febroary 2015
Actualités.Amparihy-Miandrivazo Nandrasan'ireo dahalo tamin'ny basy ny miaramila

Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany Tsaramiakatra, kaominina Anjoma Ramartina ny faramparan’ny taona 2014 lasa iny. Omby niisa 80 teo no lasan’ireo dahalo tamin’izany. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny miaramila avy amin’ny kaompania 109 Mandoto tamin’izany ka tany amin’ny fokontany Amparihy, Distrikan’i Miandrivazo

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Febroary 2015
Actualités.Labatoara eny Ankadindratombo Hifampitady eto isika, hoy ireo mpandraharaha

Velona ahiahy tanteraka ireo mpandraharaha mampiasa ny labatoara etsy Ankadindratombo noho ny zava-misy eny an-toerana ankehitriny. Tsy mitsahatra mandalo eo amin’ity toerana ity ireo Sinoa voalaza fa nividy io toerana io miaraka amin’ny mpaka sary sy mpandrefy tany ary efa nanangana andrin-jiro

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Febroary 2015
Actualités.Ambodin’Isotry sy ny manodidina Mirongatra ny asa ratsy, malalaka ireo mpidoroka rongony

itaraina ny mponina eny amin’ny faritra Ambodin’Isotry sy ny manodidina iny fa dia mivezivezy malalaka ny rongony. Na ireo mpifoka na ireo mpividy mantsy dia tsy miafina intsony, hoy izy ireo, fa dia manao ny ataony tsy misy tahotra

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Febroary 2015
Actualités.Fitsaram-bahoaka tany Antsirabe Lehilahy 50 taona namaky trano, matin’ny daroka

Mirongatra indray ny vaky trano amin’ny alina ao amin’ny fokontany Ambohimena. Saika isak’alina dia hitrangan’izany raha ny fanamafisan’ny lehiben’ny fokontany. Ny alin’ny zoma 13 febroary 2015 lasa teo dia tokantrano iray no saika hotafihan’ny mpamaky trano niisa 3 lahy. Efa nihainohaino ny mponina io alina io satria ny alin’ny alakamisy dia nisy lakozia iray novakian’ny

Hamaky ny tohiny
  • Talata 17 Febroary 2015
Actualités.Programam-panjakana amin’ny ankapobeny Ny fanatanterahana azy sisa andrasana, hoy ny HAFARI Malagasy

Naneho ny heviny mikasika ny programam-panjakana amin’ny ankapobeny (PGE) izay natolotry ny praiminisitra Ravelonarivo Jean teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.

Hamaky ny tohiny
FTT