Actualités

Amparihy-Miandrivazo Nandrasan'ireo dahalo tamin'ny basy ny miaramila


  • Talata 17 Febroary 2015

Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany Tsaramiakatra, kaominina Anjoma Ramartina ny faramparan’ny taona 2014 lasa iny. Omby niisa 80 teo no lasan’ireo dahalo tamin’izany. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny miaramila avy amin’ny kaompania 109 Mandoto tamin’izany ka tany amin’ny fokontany Amparihy, Distrikan’i Miandrivazo

 

no tratra ireo dian’omby sy ny omby sasany ary tao amina tokantrano iray tao amin’ity fokontany ity no nahitana fatin’omby sy henan’omby maro be. Tsy afa-niala ilay raim-pianakaviana antsoina hoe SJD ka voatery nifanaraka tamin’ny tompon’omby very. Araka ny fifanekena natao dia nilaza ny hamerina ny antsasaky ny omby very, izany hoe omby 40 i SJD. Ny datin’ny 16 janoary 2015 no voalaza fa tokony handraisana ireo omby ireo saingy nivadi-panekena ity farany ary tsy nanaiky ny hamerina ireo omby nampanantenainy indray. Naka fahazoan-dalana avy amin’ny tribonaly ny tompon’omby ny 4 Febroary lasa teo mba ahafahana maka ny ombiny. Niverina nidina tany Miandrivazo ny tompon’omby niaraka tamin’ny mpitandro ny filaminana ao Mandoto ny 7 Febroary lasa teo hitaky ireo ombiny saingy efa vatan-dehilahy am-polony mirongo basy no nitsena azy ireo tao amin’ny fokontany ary efa nesorin’izy ireo tao an-toerana ny zaza amam-behivavy. Ankoatra izay, dia nihantsy ady ny hifanandrina amin’ny miaramila ireo jiolahy ireo tamin’ny horakoraka sy fanevatevana. Niverina an-tanam-polo noho izany ireo miaramila sy ny tompon’omby. Nambaran’ny loharanom-baovao fa dia fa misy ireo mpitandro filaminana zandary sasantsasany ao Miandrivazo no miray tendro amin’ireo dahalo ka ahafantaran’izy ireny ny paik’ady rehetra apetraka ka mampirongatra hatrany ny dahalo.

Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT