Actualités

Fitsaram-bahoaka tany Antsirabe Lehilahy 50 taona namaky trano, matin’ny daroka


  • Talata 17 Febroary 2015

Mirongatra indray ny vaky trano amin’ny alina ao amin’ny fokontany Ambohimena. Saika isak’alina dia hitrangan’izany raha ny fanamafisan’ny lehiben’ny fokontany. Ny alin’ny zoma 13 febroary 2015 lasa teo dia tokantrano iray no saika hotafihan’ny mpamaky trano niisa 3 lahy. Efa nihainohaino ny mponina io alina io satria ny alin’ny alakamisy dia nisy lakozia iray novakian’ny

 

jiolahy ka bisikileta sy vilany no nalain’izy ireo. Taitra ny mponina ary nifanejehana ireo jiolahy fa tsy tratra. Ny zoma io dia nandrasan’ny mponina fotsiny ho tafiditra tao amin’ilay trano nokendreny ireo jiolahy dia raikitra ny antsoantso ary nifanenjehana ireo jiolahy niisa 3. Tafaporitsaka ny roalahy, lehilahy iray tokony ho 50 taona no tratran’ny fokonolona ka nanamparan’izy ireo ny fony. Vokany, naratra mafy ilay lehilahy ary tsy nahatsiaro tena. Nantsoina ny kartie mobily ary ireo no niantso ny polisy tao Ambohimena. Nentina haingana teny amin’ny hopitaly ilay mpangalatra saingy tsy tonga tany dia tapitra ny ainy. Raha ny fanazavana nomen’ny lehiben’ny fokontany dia efa tena leo tanteraka ny vahoaka no mahatonga ny fitsaram-bahoaka satria tsy mandry andro aman’alina ny mponina kanefa ny fiainana efa mafy. Voalaza fa tsy mponina teo amin’ny fokontany fa avy any Mandaniresaka ilay lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha.

 Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT