Actualités

Ambodin’Isotry sy ny manodidina Mirongatra ny asa ratsy, malalaka ireo mpidoroka rongony


  • Talata 17 Febroary 2015

itaraina ny mponina eny amin’ny faritra Ambodin’Isotry sy ny manodidina iny fa dia mivezivezy malalaka ny rongony. Na ireo mpifoka na ireo mpividy mantsy dia tsy miafina intsony, hoy izy ireo, fa dia manao ny ataony tsy misy tahotra

M. Misy ihany ny fitarainana atao amin’ny fokontany saingy noho ny tahotra dia milaza tsy mahefa na inona na inona ireto farany. Manoloana ity tranga ity dia maneho ny fitarainany ireo mponina  eny an-toerana  mba hijerena akaiky ny toe-draharaha satria azo lazaina fa faritra mena amin’ny fanendahana sy vaky trano ny eny amin’izy ireo. Anisan’ny mampirongatra izany ny fisian’ireo mpidoroka mahadomelina tsy misy  mpiteny. Vao tsy ela akory izay dia nahitana trangana fanendahana teny an-toerana ka tovolahy iray no lasibatra. Very tamin’izany ny finday sy ny vola teny aminy. Nisy nahatsikaritra  fa mponina teo amin’ny manodidina ihany ireo nanao asa ratsy.

Tojo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT