Velona ahiahy tanteraka ireo mpandraharaha mampiasa ny labatoara etsy Ankadindratombo noho ny zava-misy eny an-toerana ankehitriny. Tsy mitsahatra mandalo eo amin’ity toerana ity ireo Sinoa voalaza fa nividy io toerana io miaraka amin’ny mpaka sary sy mpandrefy tany ary efa nanangana andrin-jiro
lehibe hampidirany jiro hiasany mihitsy aza. Araka ny nambaran-dry zareo tamin’ny valandresaka nataony ho an’ny mpanao gazety teny an-toerana omaly dia in-telo na in’efatra isan-kerinandro ry zareo no manao izany. Mieritreritra izy ireo fa efa tena lasan’ny Sinoa tanteraka ankehitriny ity labatoara ity na dia mbola miasa ao aza ry zareo. Etsy an-kilany, tsy mandalo manadio ny toerana intsony ny kaominina Alasora ka ry zareo sisa no miantoka izany isan’andro. Ilay toerana nolazaina fa hamindrana toerana ity labatoara ity eny Ankadievo dia toa lasa resabe fotsiny fa tsy mbola hita soritra mihitsy hatreto. Manaitra ny sain’ny tompon’andraikitra ihany izahay ary manao antso avo mihitsy, indrindra ny minisitry ny fiompiana vaovao, hoy ireto mpandraharaha ireto, mba hijeren’izy ireo manokana ny hoavinay sy ny vahoaka eny an-toerana izay maro no mivelona amin’ny alalan’io toerana io. Mandoa hetra isan’andro izy ireo ary efa lany volabe tamin’ny nananganana ilay fotodrafitrasa. Mbola mamerina hatrany ry zareo fa zakan’izy ireo ny fividianana azy io raha noeritreretina ny hamidy tahaka izao ihany. Nilaza ny tsy hilefitra fa hiady mafy hatramin’ny farany ireo mpandraharaha.
Tojo/Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.