Noho ny faharatsian-dalana sy ny fihoaram-pefy ataon’ny kamiao mitatitra Kraoma ao amin’ny lalam-pirenena faha-44, manatanteraka fitokonana roa andro ny tompon’ny fiarakodia miasa ao amin’ny zotra nasionaly mampitohy ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro amin’ny renivohitr’i Madagasikara.
Omaly alatsinainy sy anio talata no anatanterahana io fitokonana fanairana ny mpitondra fanjakana io. Nambaran’ny tompona fiara iray, fa betsaka ny vola mivoaka amin’izy ireo noho ny vola miditra. Tsy lazaina intsony ny fahasimbana mahazo ny fiarakodia noho ny haratsin’ny lalana. Mahagaga anefa, hoy izy ireo mbola afaka manao izay tiany hatao amin’io lalam-pirenena faha-44 io ireo fiara be mitatitra Kraoma. Misy mihitsy ireo sahy mitondra mpandeha ka miteraka fahasorenana ho an’ireo fiara natokana hitatitra olona. Miantso fandraisana andraikitra amin’ny mpitondra fanjakana izy ireo. Tampoka tamin’ireo mpandeha ity fitokonana nataon’ny tompona fiara ity ka betsaka ireo sanganehana sy niveri-maina omaly. Nahazo aina ireo mpanao papango.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.