Naneho ny heviny mikasika ny programam-panjakana amin’ny ankapobeny (PGE) izay natolotry ny praiminisitra Ravelonarivo Jean teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny filohan’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina.
Nambarany tamin’izany fa tena mifandraika be dia be tamin’ny zavatra efa noresahan’ny fikambanana tarihiny hatrany am-piandohana io PGE io hahafahana manatsara ny sosialim-bahoaka. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny resaka fambolena, ny fampidirana ny zaza an-tsekoly…ka ny fanatanterahana azy sisa andrasana. Ankoatra izay dia anisan’ny notsindriany manokana ny resaka fitsarana izay nambarany fa tena mampitaraina sy mampikaika ny vahoaka tokoa ka tokony hojerena akaiky. Mikasika ny resabe mandeha momba ny fanodinkodinana tanim-panjakana amin’izao moa ary hamidy amin’ny olon-tsotra dia nanamarika ny filohan’ny HAFARI fa hampiharo amin’izay tratra ny lalana hanavahana ny vary sy ny tsiparifary.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.