• Alatsinainy 02 Martsa 2015
Actualités.Toamasina Miakatra avokoa ny vidin’entana

Taorian’ny oram-be nampiakatra ny rano sy nampisy fihotsahan’ny tany ary nanimba lalam-pirenena maro fivoahan’ny vokatra mamatsy an’i Toamasina, dia niakatra avokoa ny vidin’ny entana ilain’ny vahoaka andavanandro

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 02 Martsa 2015
Actualités.Mpianatra tao Barikadimy Lasa jiolahy sy mpisoloky gaigilahy

Ela nitoratorahana sy ela nanaovan-dratsy ingahy Ramanoherinjara Ernould 25 taona, ka saron’ny polisim-pirenena tao Toamasina ihany. Mpianatra tao amin’ny sampana fitantanana nijanona taona faharoa tao Barikadimy izy, izao lasa jiolahy mpitam-basy sy mpisoloky gaigilahy ary mpanao hosoka ara-taratasy izao.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 02 Martsa 2015
Actualités.Sisin’Ikopa Misy mitriatra

Nilaza ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na BNGRC fa efa misy faritra 10 nokaohin’ny rano izay mandeha mafy tokoa. Ny ilany an-kavia amin’ny moron’Ikopa eny Ampasika, dia misy ny fanombohana fahavakisan’ny nofon-tany eo izay azo ambara fa efa mampatahotra ihany eo amin’ireo faritra ireo.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 02 Martsa 2015
Actualités.Trafika taolampaty 7 mianadahy, voasambotra tany Farafangana

Nanao tsy ho tratry ny aloka ity mpandraharaha sy ny mersenerany, ka azo ihany. Mpangalatra taolam-paty sy mpamaky fasana fito mianadahy no voasambotry ny mpitandro ny filaminana nampian’ny fokonolona, tany Farafangana,

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 27 Febroary 2015
Actualités.Traboina Antananarivo Antomotra ny tondra-drano

Trano 20 no rava, olona 50 tsy manan-kialofana, tanimbary 500 Ha mahery no dibo-drano tanteraka. Izay no vokatry ny fiakaran’ny rano eny amin’ny kaominin’i Bongatsara sy Ambohijoky. Fefiloha roa dia ny eny Tsiazompaniry sy Sisaony (Soavina) no vaky omaly noho ny fiakaran’ny rano. Maherin’ny 3 000 no traboina, efa andrasana fotsiny ny mety ho fahavakisan’ny farihin’i Mamba. Loza manambana loko MAVO hatramin’ny omaly ny mety hisian’ny tondra-drano vokatry ny fiakaran’ny reniranon’Ikopa. Miankina amin’ny rotsak’orana ny mampiakatra na mampidina ny haavon’ny renirano, hoy ny avy ao amin’ny APIPA, koa raha ny rotsak’orana naharitra ora maro halina teto Antananarivo dia azo antoka ny fiakaran’ny renirano.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 27 Febroary 2015
Actualités.TOBIM-PIVAROTAN-TSOLIKA SHELL Olona miisa enina indray no notolorana loka omaly

Olona miisa enina tsara vintana indray omaly no notoloran’ny tobim-pivarotan-tsolika Shell loka tetsy Anosy. Mpanjifa nahafatrapo nividy solika tao amin’ity tobim-pivarotan-tsolika iray ity izy ireo niparitaka tamina faritra maro toa an’Iavoloha ka anisan’ny nandray anjara tamin’ilay tombola nentina nanamarihana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona 2014.

Hamaky ny tohiny
FTT