Nilaza ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na BNGRC fa efa misy faritra 10 nokaohin’ny rano izay mandeha mafy tokoa. Ny ilany an-kavia amin’ny moron’Ikopa eny Ampasika, dia misy ny fanombohana fahavakisan’ny nofon-tany eo izay azo ambara fa efa mampatahotra ihany eo amin’ireo faritra ireo.
Efa nisy moa ny asa vonjimaika natao tamin’ny alalan’ny fanapenana ny lavaka na ny tamin’ny alalan’ny gony misy fasika. Izay no antony tsy maintsy hitandreman’ny rehetra satria tsy fantatra izay mety hitranga noho ny haavon’ny rano sy ny firodorodony mandeha mafy dia mafy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.