Actualités

TOBIM-PIVAROTAN-TSOLIKA SHELL Olona miisa enina indray no notolorana loka omaly


  • Zoma 27 Febroary 2015

Olona miisa enina tsara vintana indray omaly no notoloran’ny tobim-pivarotan-tsolika Shell loka tetsy Anosy. Mpanjifa nahafatrapo nividy solika tao amin’ity tobim-pivarotan-tsolika iray ity izy ireo niparitaka tamina faritra maro toa an’Iavoloha ka anisan’ny nandray anjara tamin’ilay tombola nentina nanamarihana ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona 2014.

 

 Fiara kely marika Hyundai no loka goavana tamin’izany, raha fandehanana mitsangatsangana atsy amin’ny Nosy rahavavy Maurice ho an’olon-droa kosa ny loka roa hafa, hiantohana avokoa ny rehetra. Toraka izay ireo môtô scross miisa telo izay natolotra ho an’ireo mpanjifa telo ambiny. Tao anatin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’izy ireo izany. Tsiahivina moa fa tsy vao sambany no nanolotra loka ho an’ity mpanjifany tahaka izao ny tobim-pivarotan-tsolika Shell.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT