Trano 20 no rava, olona 50 tsy manan-kialofana, tanimbary 500 Ha mahery no dibo-drano tanteraka. Izay no vokatry ny fiakaran’ny rano eny amin’ny kaominin’i Bongatsara sy Ambohijoky. Fefiloha roa dia ny eny Tsiazompaniry sy Sisaony (Soavina) no vaky omaly noho ny fiakaran’ny rano. Maherin’ny 3 000 no traboina, efa andrasana fotsiny ny mety ho fahavakisan’ny farihin’i Mamba. Loza manambana loko MAVO hatramin’ny omaly ny mety hisian’ny tondra-drano vokatry ny fiakaran’ny reniranon’Ikopa. Miankina amin’ny rotsak’orana ny mampiakatra na mampidina ny haavon’ny renirano, hoy ny avy ao amin’ny APIPA, koa raha ny rotsak’orana naharitra ora maro halina teto Antananarivo dia azo antoka ny fiakaran’ny renirano.
Kaominina 19 tondra-drano
Omaly antoandro dia efa nosokajiana ho ao anatin’ny loza manambana ny eto Antananarivo amin’ny resaka tondra-drano ka nentanina ireo mponina amin’ireo faritra manakaiky renirano sy farihy (Ikopa, Sisaony ary Mamba) mba ho mailo sy hanara-maso akaiky ny fiakatry ny rano mba hisorohana ny loza amin’atambo. Tokony ho efa niala tamin’ny trano fonenany ireo olona amin’ny faritra azo antoka fa ho tondra-drano ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny mponina ao amin’ireto kaominina 19 manaraka ireto : Masindray, Ambohimanambola, Alasora, Ankaraobato, Tanjombato, Soavina, Anosizato-Andrefana, Andranonahoatra, Bemasoandro, Ambohidrapeto, Ankadimanga, Ampitatafika, Fenoarivo, Itaosy, Ambohitrimanjaka, Antehiroka, Talatamaty, Sabotsy Namehana ary Ankadikely Ilafy.
Hitohy ny orana
Nanamafy omaly alina ny avy ao amin’ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro fa mbola hitohy ny orana eto Antananarivo sy amin’ny faritra maro manerana ny nosy ato anatin’ny 2 na 3 andro, ary tena matevina ny rotsak’orana raha ny vinavina. Ho an’Antananarivo manokana, ohatra, anio zoma dia maloka ny andro ny maraina, hanorana tsikelikely avy eo ary ho betsaka amin’izay ny rotsak’orana amin’ny fiafaran’ny tolakandro sy amin’ny alina. Tsy vitan’ny hoe hampiakatra ny rano ny ora-mikija mandritra ny andro maromaro fa mampihotsaka tany sy mampirodana trano ihany koa araka ny efa hita tamina fokontany maro teto Antananarivo renivohitra. Miakatra ny renirano, vaky ireo fefiloha, dibo-drano ny faritra iva, mihotsaka ny tany eny amin’ny ambony toerana, tsentsina ny lakandrano ka lasa dobo filomanosana ny anaty tanàna, ka inona moa izany fa tsy efa traboina tanteraka Antananarivo !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.