Nanao tsy ho tratry ny aloka ity mpandraharaha sy ny mersenerany, ka azo ihany. Mpangalatra taolam-paty sy mpamaky fasana fito mianadahy no voasambotry ny mpitandro ny filaminana nampian’ny fokonolona, tany Farafangana,
ka natolotra ny fitsarana afak’omaly taorian’ny fanadihadian’ny zandary. Fasana fito no nisesisesy vaky tao amin’ny kaominina Mahafasa sy Evato. Ny 22 janoary lasa teo, mpandraharaha iray no nanondrana vary 130 latsaka novidiana tao amin’ny Kaominina Mahafasa nalefa lakana mandeha motera ho ao Farafangana. Nampidinina tao Maromainty, kaominina Anosy Tsararafa ny 29 gony tamin’ireo, izay tsikaritry ny mpandeha lakana fa misy fofona maimbo be. Nanomboka teo, nahiahiana amin’ny vaky fasana sesilany tany an-toerana ity mpandraharaha ity.
4 hetsy ny karama
Ny alakamisy lasa teo, olona telo no nikasa hamaky fasana. Tafaporitsaka ny roa fa ny iray tratran’ny zandary sy ny fokonolona tao amin’ny tanànan’i Ambohitrabo kaominina ambanivohitra Tangainony. Avy any amin’ny Distrikan’i Vondrozo ity tratra ity ary asa vaky fasana no tena nahatongavany tao Farafangana. Nambarany fa mpandraharaha ara-toekarena ao Anosy Tsarafara sy ao Mahafasa ary olon-tsotra monina ao Mahafasa no naniraka azy. Efatra hetsy ariary ny karamany. Mbola tratra teny aminy ny fitaovana toy “barre à pince”, “lame scie à métaux”, ary fanjaitra lehibe hoentina manjaitra ny gony feno taolam-paty.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.