Ela nitoratorahana sy ela nanaovan-dratsy ingahy Ramanoherinjara Ernould 25 taona, ka saron’ny polisim-pirenena tao Toamasina ihany. Mpianatra tao amin’ny sampana fitantanana nijanona taona faharoa tao Barikadimy izy, izao lasa jiolahy mpitam-basy sy mpisoloky gaigilahy ary mpanao hosoka ara-taratasy izao.
Resaka fihazonana basy PA no nisamborana sy nisavana ny tranony raha nahazo vaovao tamin’ireo olona tsara sitrapo ny polisy. Nandritra ny fisavana natao anefa no nahitana fa manana kara-panondrom-pirenena 4 be izao ingahy Ramanoherinjara Ernould, ny roa vita teto Antananarivo, ny roa ambiny kosa hosoka izay mitondra ny laharan’Antsiranana sy Toamasina. Mbola nahitana karatra fanamboarana kara-panondro virijiny koa tao aminy. An-kilan’izay, nahatrarana diplaoma na “licence en gestion” hosoka koa tao aminy izay nangalarany ny sonian’Atoa Horace Gatien filohan’ny oniversite tamin’izany fotoana izany. Teo koa ny pasipaoro Malagasy izay hosoka ihany koa saingy nahafahany nivoaka nankany Thailand ny 01 febroary 2014, izay tsy nisy nahatsikaritra na ny polisin’ny sisin-tany Malagasy na ireo Thailandais. Ankoatra izay, dia efa nokarohina mikasika ny fanafihana magazay na jirofo tao Toamasina koa ity tovolahy ity, saingy afa-nitsoaka hatrany nefa ny fikarohana azy tsy foana eo anivon’ny polisy ao Toamasina. Efa miandry ny fitsarana azy ao Ambalatavoahangy ny tenany, izay henjehin’ny fitsarana amin’ny fanaovana sy fampiasana hosoka, fihazonana basy tsy nahazoana alalana, ary fanaovana fikambanan-jiolahy tao Toamasina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.