Taorian’ny oram-be nampiakatra ny rano sy nampisy fihotsahan’ny tany ary nanimba lalam-pirenena maro fivoahan’ny vokatra mamatsy an’i Toamasina, dia niakatra avokoa ny vidin’ny entana ilain’ny vahoaka andavanandro
. Raha ny legioma izao tsy ahitana latsaky ny 2.000 ariary intsony ny kilaony, ny ovy izao dia 2.400 ariary ny kilao, ny karaoty efa mahatratra 3.000 ariary, ny voatabia dia ireo efa simba an-dalana no mba azo 1.900 ariary fa ireo mbola tsara dia 2.000 ariary ny mora indrindra. Na ireo anana mivoaka avy amin’ireo kaominina manodidina ao Toamasina II aza, efa tsy ahitana tokony na fehiny 100 ariary intsony fa efa niakatra ho avo roa heny avokoa, misy aza tsy mahazo intsony raha tsy 500 ariary. An-kilan’ireo ny vary dia nahitana fiakarana avokoa, raha mbola novidiana 1.400 ariary roa herinandro lasa izay ny vary makalioka dia niakatra ho 1.450 ariary izany ankehitriny, ny vary nohafarana avy any ivelany (stock tampon) aza izao tsy mahazo iray kilao raha tsy 1.400 ariary. Manahy noho izany ny tokantrano ao Toamasina, fa raha mbola mitohy io orana io, raha tsy mbola misy fijerena ny fanarenana ireo lalam-pirenena simba, dia hiakatra hatrany ny vidin’ny vary io ka ahiana ny hahatongavany ho 2.000 ariary tsy ho ela. Ankoatra izay, nahitana fidinany amin’izao ao Toamasina dia ny menaka izay nidina 200 ariary ny litatra ka lasa 1.800 ariary. Ny resaka mofo dipaina kosa dia tsy mbola nihetsika aloha hatreto fa mbola nijanona ho 400 ariary hatrany, na efa nampiakatra ny vidiny aza ny faritra sasany…
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.