• Alatsinainy 09 Martsa 2015
Actualités.Vokatry ny oram-be Dibo-drano Toamasina

Ankirihiry, Mangarano, Andranomadio, Ambohijafy, Salazamay, Morarano, Tanamborizano, Tanambao I sy II ary III, Androranga, Anjoma, Ampasimazava, Tanambao V…izany hoe ny 80%-n’ny fokontany araka ny nambaran’ny lehiben’ny faritra atsinanana Atoa Talata Michel, dia dibo-drano sy miaina anaty rano maloto vokatry ny oram-be avokoa.

Hamaky ny tohiny
  • Alatsinainy 09 Martsa 2015
Actualités.Vono olona nahatsiravina tao Antsirabe Jiolahy 3 no voasambotra, mbola mpianatra ny iray

Tsy niandry ela fa efa saron’ny polisim-pirenena tao Antsirabe ireo tovolahy nanolana sy namono ilay vehivavy 30 taona tany Ambohimiandrisoa-Antsirabe. Raha tsiahivina, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo no nitrangan’izany. Haingana dia haingana ny fiasan’ny polisim-pirenena noho ny fifanomezan-tanana teo amin’ny mpiara-monina ka fantatra tamin’ny alalan’ilay

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 06 Martsa 2015
Actualités.Asa Fampihorohoroana Atahorana hiditra eto Madagasikara

Raha misy ny sisintany gaboraraka indrindra ny fiambenana azy dia faharoa i Madagasikara rehefa tsy voalohany, hoy ity diplomaty iray. Taona vitsivitsy lasa izay dia efa nisy tatitra nataona sampan’asam-pitsikilovana eoropeanina iray nanambara fa tena firenena iriariavan’ireo mpanao asa fampihorohoroana eran-tany toy ny Djihad sy ny Boko-Haram i Madagasikara ka tokony hitandrina ireo masoivoho vahiny sy ny mpitondra fanjakana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 06 Martsa 2015
Actualités.Fihotsahan’ny tany eny Miandrarivo Ambanidia Tsy maintsy miala haingana ireo mponina

Loza mitatao ho antsika eto an-drenivohitra ny resaka fihotsahan’ny tany amin’izao fotoana izao. Olana hiaraha-manana amin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy Vakinankaratra izy io raha araka ny vaovao azo izay efa nahafatesana olona manodidina ny 23 isa raha tafakatra 82.275 kosa ireo tsy manan-kialofana.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 06 Martsa 2015
Actualités.Groupe Lianah Namoka album vaovao

Mankalaza ny fahafolo taona nihirany sy niakarany an-tsehatra i Lianah, ilay mpanakanto tsy zoviana amintsika intsony. Hetsika maro samihafa no entiny hanamarihana izany izay hatombony amin’ny famoahana ilay raki-kirany fahatelo mitondra ny lohateny hoe :

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 06 Martsa 2015
Actualités.Mpitandro ny filaminana sy fanjakana Efa tsy atokisan’ny olona intsony

Sahotaka be ny tao Ilakaka omaly tolak’andro. Olona iray izay nosamborin’ny mpitandro ny filaminana fa voampanga ho namono nahafaty mpandraharaha ara-toekarena iray sy vehivavy iray no saika hoharonin’ny vahoaka tao amin’ny paositry ny zandary hovonoina

Hamaky ny tohiny
FTT