Sahotaka be ny tao Ilakaka omaly tolak’andro. Olona iray izay nosamborin’ny mpitandro ny filaminana fa voampanga ho namono nahafaty mpandraharaha ara-toekarena iray sy vehivavy iray no saika hoharonin’ny vahoaka tao amin’ny paositry ny zandary hovonoina
. Tsy voafehin’ny mpitandro ny filaminana tao an-toerana intsony ny raharaha ka voatery nanafatra mpitandro ny filaminana mpanampy izy ireo. Vao afak’omaly teto an-drenivohitra no nisy mpanendaka roalahy saika matin’ny olona . Tany Mananara Avaratra olona enina no maty novonoin’ny fokonolona andro vitsivitsy lasa izay.
Tsy tana intsony ny hatezeran’ny olona isaky ny mahatratra olon-dratsy ka tsy te hiandry ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana intsony izy ireo fa aleony manao ambany maso tsy hita ny zon’olombelona ka tonga dia ataony amin’ny fanaovan azy izay tratra. Tsy finiavana ny hamono olona izany, hoy ireo mpandinika fiarahamonina fa vokatry ny tsy fahatokisana ny fanjakana misy intsony. Maro amin’ireo olon-dratsy mantsy no samborina androany dia miriaria sy mampitahotra ireo nitory azy indray rahampitso.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.