Mankalaza ny fahafolo taona nihirany sy niakarany an-tsehatra i Lianah, ilay mpanakanto tsy zoviana amintsika intsony. Hetsika maro samihafa no entiny hanamarihana izany izay hatombony amin’ny famoahana ilay raki-kirany fahatelo mitondra ny lohateny hoe :
“Tsôntsoko misy anareo”. Coffret iray manontolo izy io misy Dvd sy audio iray avy miaraka amina karazana tantara kely mirakitra ny fiaimpiainan’i Lianah sy ny mombamomba azy. 12 isa kosa ny hira ho hita ao anatiny, ahitana ireo hira nahafantarana azy tamin’ny raki-kira faharoa sy hira fiderana iray izay vao sambany no nanaovany izany. Tsy latsa-danja amin’ireo ny fitetezam-paritra na tour de Mada hataony, raha araka ny fanazavany entiny hanomezana fahafaham-po ireo mpankafy azy. Fampisehoana goavana tanterahina ao amin’ny Jao’s pub Ambohipo no hamoahany amim-pomba ofisialy ny raki-kirany anio zoma alina manomboka ny 9 ora. Ankoatra ireo dia hisy ihany koa ny téléréalité hokarakarainy entina hanomezana tambiny manokana ireo tanora malagasy manan-talenta amin’ny sehatry ny lamaody.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.