Actualités

Asa Fampihorohoroana Atahorana hiditra eto Madagasikara


  • Zoma 06 Martsa 2015

Raha misy ny sisintany gaboraraka indrindra ny fiambenana azy dia faharoa i Madagasikara rehefa tsy voalohany, hoy ity diplomaty iray. Taona vitsivitsy lasa izay dia efa nisy tatitra nataona sampan’asam-pitsikilovana eoropeanina iray nanambara fa tena firenena iriariavan’ireo mpanao asa fampihorohoroana eran-tany toy ny Djihad sy ny Boko-Haram i Madagasikara ka tokony hitandrina ireo masoivoho vahiny sy ny mpitondra fanjakana.

 


 Amin’izao fotoana izao dia sampam-pitsikilovana firenen-dehibe iray no efa manara-maso mafy ny zava-misy eto Madagasikara. Raha tsiahivina ny tantara dia efa maty nisy namono tany Ilakaka ny zaodahin’ingahy Ben Laden, mpampihorohoro nalaza eran-tany fa fantatry ny ankamaroan’ny Malagasy ny fahatongavany teto.

Zava-mahadomelina

Eo amin’ny raharaha fanondranana mahadomelina mahery vaika toy ny « heroine » sy ny «cocaine» dia fantatra fa fandalovan’ireo mpanondrana izany eto  amintsika ka matetika any Maurice vao tratra ireo mpanao ity raharaha maizina ity. Amin’izao vanim-potoana mampirongatra ny asa fampihorohoroana any Eoropa izao dia maro no manontany tena irao diplomaty vahiny  ny amin’ny fomba hiarovana ity sisin-tanintsika midadasika ity.Tsara ho marihana fa any amina firenena maro no maka ireo miaramilany sy ny olona ampiasainy ny vondrona mpampiorohoro Etat Islamique (EI) ary efa taona vitsivitsy izao no mandeha be ny resaka fa misy zatovo lahy malagasy miondrana any Siria na Irak mba hanaraka fihofanana ara-miaramila miaraka amin’ireo Jihadista ao amin’ny EI, voatondro moa araka ny resaka mandeha ihany fa avy ao Mahajanga no iaingan’izy ireo ka miondrana any Nairobia (Kenya) aloha dia avy ao indray no miampita .

Andry Ratovo     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

Hijery ny tohiny
FTT