Actualités

Vono olona nahatsiravina tao Antsirabe Jiolahy 3 no voasambotra, mbola mpianatra ny iray


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Tsy niandry ela fa efa saron’ny polisim-pirenena tao Antsirabe ireo tovolahy nanolana sy namono ilay vehivavy 30 taona tany Ambohimiandrisoa-Antsirabe. Raha tsiahivina, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo no nitrangan’izany. Haingana dia haingana ny fiasan’ny polisim-pirenena noho ny fifanomezan-tanana teo amin’ny mpiara-monina ka fantatra tamin’ny alalan’ilay

 

  « Video de Surveillance » teo amin’ilay farmasia ny sasany tamin’ireo tovolahy. Mbola zatovo avokoa ireo nanao ny asa ratsy raha ny fanazavana tamin’ny polisim-pirenena ary mbola mpianatra vao 18 taona aza ny iray tamin’izy ireo. Ny alarobia lasa teo moa no niakatra fampanoavana ireto zatovo nanolana sy namono olona ireto. Nialoha izany dia nisy ny famerenana teny an-toerana ny tranga sy ny fomba nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny ny tolakandro ka nahavoriana olona tanteraka teny Ambohimiandrisoa. Taorian’izay dia niakatra teny amin’ny fampanoavana izy ireo ary naiditra am-ponja. Nangatahan’ny mponina hanaovana fitsaram-bahoaka ireto zatovo ireto ka mbola vory marobe ny olona nanaraka teny amin’ny fitsarana ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nandrava ireo olona. Notanana am-ponja avy hatrany izy telolahy miandry ny fitsarana azy.

 

Caïus R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

Hijery ny tohiny
FTT