Actualités

Vokatry ny oram-be Dibo-drano Toamasina


  • Alatsinainy 09 Martsa 2015

Ankirihiry, Mangarano, Andranomadio, Ambohijafy, Salazamay, Morarano, Tanamborizano, Tanambao I sy II ary III, Androranga, Anjoma, Ampasimazava, Tanambao V…izany hoe ny 80%-n’ny fokontany araka ny nambaran’ny lehiben’ny faritra atsinanana Atoa Talata Michel, dia dibo-drano sy miaina anaty rano maloto vokatry ny oram-be avokoa.

 

 Tonga ao Toamasina nahita ny zava-misy sy nijery ifotony ny fahavoazana, ny mpanolotsain’ny filoha Rtoa Herisoa Razafindrakoto sy ny minisitry ny indostria Rafidimanana Narson ary ny lehiben’ny zandary Jly Paza Didier Gerard. Nisy avy hatrany ny fanaovana ny asa tana-maro isam-pokontany nanokafana ireo lakandrano tsentsina nahatonga ny fiangonan’ny rano. Nisy ihany ny famindrana ireo tra-boina izay misy olana noho izy ireo tsy mety mandao ny fananany noho ny firongatry ny zatovo manao asan-jiolahy mpamaky trano tato ho ato. Ho fanampiana ireo tena hita fa voa mafy dia nanolotra vary 10 taonina ho an’ny birao misahana ny loza voajanahary BNGRC ny fanjakana tamin’ny alalan’ny faritra atsinanana; ary hisy koa ny fandraisana andraikitra amin’ny fandravana ireo trano tsy ara-dalana ambony lakan-drano na nahazo alalana izany na tsia.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

Hijery ny tohiny
FTT