Actualités

Fihotsahan’ny tany eny Miandrarivo Ambanidia Tsy maintsy miala haingana ireo mponina


  • Zoma 06 Martsa 2015

Loza mitatao ho antsika eto an-drenivohitra ny resaka fihotsahan’ny tany amin’izao fotoana izao. Olana hiaraha-manana amin’ny Faritra Alaotra Mangoro sy Vakinankaratra izy io raha araka ny vaovao azo izay efa nahafatesana olona manodidina ny 23 isa raha tafakatra 82.275 kosa ireo tsy manan-kialofana.

 

 Mba hisorohana io isa io tsy hitombo intsony ary dia mitohy hatrany ny fitiliana sy fitsirihana ireo faritra tena ahiana tanterahin’ny birao nasionaly misahana ny loza voanajahary, ny IOGA, ny foiben-taon-tsaritany Malagasy ary ny mpamonjy voina. Anisan’ny efa vitan’izy ireo ary namoahany fanambarana omaly ny mikasika ireo faritra rehetra atsinanan’ny toerana fanapahan-dohan’ny mpanjaka taloha eny amin’ny Rovan’i Manjakamiadana. Tafiditra ao anatin’izany ny faritra Ambanidia hatrany Miandrarivo izay misy olona 1.000 ka hatramin’ny 1.200 isa anatina tokantrano 250 ka hatramin’ny 300 tafo. Tsy maintsy miala maika ireo tokantrano ireo raha araka ny vaovao azo hatrany raha hitohy any amin’ny faritra atsimo sy andrefan’ny rova indray ny fanadihadiana manomboka anio. Ankoatra izay moa dia nambaran’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny mpamonjy voina izay miara-miasa akaiky amin’ny BNGRC fa efa tsy azo ipetrahana intsony ihany koa ny eny Avaratr’Ankatso, Andohalo, Ambohimitsimbina, tendrombohitr’Ambohijanahary ary Ankadilalana izay ilana fitandremana be dia be. Mbola haharitra roa volana mantsy ny firotsahan’ny orana, hoy hatrany izy ireo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

  • FANOMPANA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

SY FANEVATEVANA NY PRRM

  • Farihin’Andranotapahana
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

  • HIRA ARA-PILAZANTSARA
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

Mpanakanto 20 mianadahy

Hijery ny tohiny
FTT