• Alarobia 11 Martsa 2015
Actualités.Razana nifamadika tao anaty fiaramanidina Hitory ny Air Madagascar ny fianakavian-dRtoa Low-Kein Solange

Tezitra ny fianakavian-dRtoa Low-Kein Solange Josée, vehivavy 52 taona mizaka ny zom-pirenena Frantsay, maty tany Valence France, ny antoandron’ny 28 febroary lasa teo, ka hitory ny Air Madagasikara, satria tsy mbola hita popoka hatramin’izao ny vatana mangatsiakany nentin’ny fiaramanidin’ity kaompania ity, niala tao Paris Frantsa, ny alahady 8 martsa teo, raha tokony higadona tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly maraina tamin’ny 5 ora sy sasany, ary tokony ho notsenaina tany Toliara omaly maraina ihany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 10 Martsa 2015
Actualités.Traboina eto an-drenivohitra Nalefa any am-pamonoan’omby

Tsy marisika ny hifindra eo amin’ny toerana famonoana omby etsy Andohatapenaka, toerana nomen’ny fanjakana foibe azy ireo ny ankamaroan’ireo traboina eto an-drenivohitra. Ankoatra ny maha trano famonoana omby azy moa dia mahakivy ireo traboina ihany koa ny fahalavorarian’ny toerana

Hamaky ny tohiny
  • Talata 10 Martsa 2015
Actualités.Avaratr’Ankatso Tsy maintsy hapoaka ilay vatobe

Ny fanapoahana ilay bolongam-bato eny avaratr’Ankatso no hitan’ireo teknisianina fa vahaolana mety indrindra mba hisorohana ny loza hafa mety hitranga, ary nanamafy izany omaly ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fananajariana ny tany. Anio dia efa hivonona amin’ny fanangonana ny fitaovana rehetra ilaina amin’izany izy ireo saingy ny fitondram-panjakana foibe ihany moa no tompon’ny teny farany.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 10 Martsa 2015
Actualités.Fanampiana Tsy ampy 1litatra ny menaka fanampiana ny traboina

Anisan’ny nahazo fanampiana avy amin’ny BNGRC ireo mponina dibo-drano teny amin’ny faritra iva Anosipatrana atsinanana ny sabotsy lasa teo.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 10 Martsa 2015
Actualités.Mikatso ny fitsarana Mitokona ny mpiraki-draharaha eran’i Madagasikara

Niveri-maina avokoa ireo nanan-draharaha teny amin’ny tribonalin’Anosy omaly. Takela-tsoratra vita an-taratasy sisa no milaza fa mihemotra amin’ny faha-13 martsa na andro hafa ny raharaham-pitsarana hatao na voka-pitsarana tokony ho navoaka omaly.

Hamaky ny tohiny
  • Talata 10 Martsa 2015
Actualités.Fifindra-monina eny amin’ny abatoara Mizara ny hevitr’ireo traboina

Nanomboka omaly ny famindran-toerana ireo traboina eto an-drenivohitra notanterahin’ny fitondram-panjakana. Etsy amin’ny abatoara teo aloha etsy Andohatapenaka no toerana namindrana azy ireo izay nambaran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina fa natao ho foto-drafitrasa maharitra,

Hamaky ny tohiny
FTT