Actualités

Traboina eto an-drenivohitra Nalefa any am-pamonoan’omby


  • Talata 10 Martsa 2015

Tsy marisika ny hifindra eo amin’ny toerana famonoana omby etsy Andohatapenaka, toerana nomen’ny fanjakana foibe azy ireo ny ankamaroan’ireo traboina eto an-drenivohitra. Ankoatra ny maha trano famonoana omby azy moa dia mahakivy ireo traboina ihany koa ny fahalavorarian’ny toerana

. Mangatsiaka eny, hoy ny sasany ; mando lava kosa, hoy ny hafa. « Aleonay miverina any an-tranonay ihany rehefa hatao an-tery hipetraka eny izahay », hoy i Marie Louise, traboina avy eny Ankazomanga. Ambarany fa  na traboina aza izy sy  ny fianakaviany dia mbola mba afaka mianatra ihany ny  zanany, lavitra azy mianakavy anefa io toerana eny Andohatapenaka io. Araka ny faminavinan’ny Birao nasionaly mandrindra ny ady amin’ny loza voajanahary  dia  tokony hahazaka olona 24 000 io famanoana omby io kanefa ny traboina eto Antananarivo  dia tsy mbola mihoatra ny 13 000. Ho an’ireo tompon’andraikitry ny fokontany kosa indray dia zaran’izy ireo  aza mankeny Andohatapenaka avokoa  ny traboina any amin’ny toerana misy azy ireo mba hanala fahasahiranana azy ireo. Manamora ny fandrindrana ny fizarana fanampiana ho azy ireo mantsy, hono, ny fanambarana azy ireo  amin’ny  toerana ary hahamora ihany koa ny fanaraha-maso ny fahasalamany. Omaly maraina no nifindra eny an-toerana ireo traboina izay tapa-kevitra ka tonga teny an-toerana ihany koa ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana nametraka ny jiro sy ny rano ho azy ireo.

Mikasika ny sakafo indray dia vary 40 taonina sy  legioma 20 taonina no hozarain’ny Bngrc eny an-toerana.

Andry Ratovo    

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT