Actualités

Avaratr’Ankatso Tsy maintsy hapoaka ilay vatobe


  • Talata 10 Martsa 2015

Ny fanapoahana ilay bolongam-bato eny avaratr’Ankatso no hitan’ireo teknisianina fa vahaolana mety indrindra mba hisorohana ny loza hafa mety hitranga, ary nanamafy izany omaly ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny fananajariana ny tany. Anio dia efa hivonona amin’ny fanangonana ny fitaovana rehetra ilaina amin’izany izy ireo saingy ny fitondram-panjakana foibe ihany moa no tompon’ny teny farany.

 

Andrasana, araka izany, izay mety ho fanapahan-kevitry ny filankevitry ny governemanta  anio. Efa vita moa ny fanadihadiana  rehetra nataon’ny  komity iraisan’ny minisitera mikasika ny fomba hanalana ity  vato ity  ka  efa natolotra ny fitondram-panjakana, araka  ny  fanambaran’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny Tany. Eny an-toerana  dia efa maro ireo olona no niverina tamin’ny  trano fonenany  fa tsy nahandry intsony ny fandaminana  ataon’ny fanjakana.  Fantatra  ihany koa  fa efa miomana ny  hanala  io vato io amin’ny herin’ny tenany manokana ireo mponina eny an-toerana ary  efa manao tsipaipaika manangom-bola hamatsiana ny asa,  izay tohanan’ireo mpanao politika monina amin’iny boriborintany iny  ara-bola.



Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT