Actualités

Razana nifamadika tao anaty fiaramanidina Hitory ny Air Madagascar ny fianakavian-dRtoa Low-Kein Solange


  • Alarobia 11 Martsa 2015

Tezitra ny fianakavian-dRtoa Low-Kein Solange Josée, vehivavy 52 taona mizaka ny zom-pirenena Frantsay, maty tany Valence France, ny antoandron’ny 28 febroary lasa teo, ka hitory ny Air Madagasikara, satria tsy mbola hita popoka hatramin’izao ny vatana mangatsiakany nentin’ny fiaramanidin’ity kaompania ity, niala tao Paris Frantsa, ny alahady 8 martsa teo, raha tokony higadona tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly maraina tamin’ny 5 ora sy sasany, ary tokony ho notsenaina tany Toliara omaly maraina ihany.

 


Natao tsinontsinona

Teo vao gaga ny fianakaviany niisa sivy niray fiaramanidina tamin’ny razana, fa tsy tao ny razana ary mbola miandry vasoka hatramin’izao. Avy hatrany dia nangata-panazavana tamin’ny tompon’andraikitry ny Air Mad ny fianakaviana. Nilaza ny tao fa nifamadika ny vatam-paty, ka lasa any Niamey- Niger (Afrika Afovoany) ny vatana mangatsiakan-dRtoa Low-Kein izay tokony ho nalefa any Toliara.

 

Nandoa vola 40 tapitrisa Ar

Tezitra noho ny fanaovana tsinontsinona azy ireo sy ny  tsy fanajana ny reniny maty ireo zanany, ka hitory ny kaompania Air Madagasikara ary haka mpisolovava iraisam-pirenena, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly antoandro tao Besakoa Toliara. « Vola 13 500 Euros no saran-dalanay, raha 7 000 Euros ny an’ny reniko, nefa dia izao tsy hita popoka izao ny fatiny ». Manahy ny fianakaviana fa ho simba tanteraka ny razana, nefa mbola handrasana ao Toliara rehefa tonga, izay tsy fantatra hoe : rahoviana ?

 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT