Actualités

Fifindra-monina eny amin’ny abatoara Mizara ny hevitr’ireo traboina


  • Talata 10 Martsa 2015

Nanomboka omaly ny famindran-toerana ireo traboina eto an-drenivohitra notanterahin’ny fitondram-panjakana. Etsy amin’ny abatoara teo aloha etsy Andohatapenaka no toerana namindrana azy ireo izay nambaran’ny filoha Hery Rajaonarimampianina fa natao ho foto-drafitrasa maharitra,

hanavotana ireo traboina eny amin’ny manodidina mahazaka olona manodidina ny 13.000 isa. Na izany aza anefa dia misy amin’ireo traboina no nanaiky ary efa nifindra teny nanomboka omaly raha nisy koa ireo tsy nanaiky. Voakasik’ity farany manokana ireo traboina eny amin’ny fokontany Ankazomanga atsimo…Ho azy ireo dia aleony ihany miverina any an-tokantranony na dia dibo-drano aza noho ny halaviran-toerana. Eo ihany koa ny fiarovany ireo fananana keliny toy ny biby fiompiana izay nomarihin’izy ireo fa misy sahy maka tsotra izao. Ny traboina eny Ankorondrano dia misy koa ny tsy mazoto hifindra eny amin’ny abatoara satria lavitra ny fitadiavanay sy ny asany eny, hoy izy ireo.Ireo mponina traboina eny Andohatapenaka kosa indray dia nilaza fa mety aminy izao famindran-toerana izao. Azo antoka mantsy ny fanampiana ho izy ireo, ara-dalana ihany koa ny fanaraha-maso ara-pahasalamana na dia mbola tsy tonga lafatra araka ny nieritreretana azy aza ny foto-drafitrasa.  Fotsim-bary milanja 40 t sy legioma 20 t no efa vonona hozaraina ho azy ireo hatramin’ny omaly niampy ny fampidirana jiro sy rano eny an-toerana.


Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT