Actualités

Mikatso ny fitsarana Mitokona ny mpiraki-draharaha eran’i Madagasikara


  • Talata 10 Martsa 2015

Niveri-maina avokoa ireo nanan-draharaha teny amin’ny tribonalin’Anosy omaly. Takela-tsoratra vita an-taratasy sisa no milaza fa mihemotra amin’ny faha-13 martsa na andro hafa ny raharaham-pitsarana hatao na voka-pitsarana tokony ho navoaka omaly.

 

 Tsy nisy fandraisan-taratasy ihany koa  fa nitokona ny mpiraki-draharaha. Tsy vao izao izy  ireo no mitokona. Zavatra maromaro no takian’izy ireo toy ny fanamboarana ny  mari-karamany, ny fandoavana ny tambin-karama, ny hanokafana fifaninanana  ho an’ny « Greffier en chef concepteur ». Itarainan’izy ireo koa ny fisian’ireo olona  mahitahita ka  lasa mpiraki-draharaha kanefa tsy nanao fifaninanana na tsy niofana manokana momba izany akory. Araka ny fanambaran’Atoa  Rabenandrasana Nicolas, filoha mpitarika izao hetsika izao dia tsy  terena izy ireo handray anjara amin’ny fitokonana fa malalaka amin’ny safidiny ny tsirairay. Fantatra kosa anefa fa manerana ny biraon’ny Fitsarana eran’ny nosy izao fitokonana izao. Miankina amin’ny  fahazoana ny valiny mahafa-po sy miankina amin’ny fifandanjan-kery   eo  amin’ny  mpiraki-draharaha sy ny fitondram-panjakana no mety  hampijanona ny fitakian’izy ireo izay efa manodidina  ny 1300.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT