• Alarobia 25 Martsa 2015
Actualités.Fandravana trano teny Anosibe Misy sarintsarina hafetsifetsena …

Nisehoana fandravan-trano indray omaly talata teny Anosibe ampitan’ny tsena manoloana ny fiantsonan’ireo fiarabe mpitatitra entana avy aty atsimo. Efa tamin’ny zoma no nahazo taratasy filazana avy amin’ny olona nilaza ho tompon’ny tany ara-dalàna ny tsy maintsy hialan-dry zareo ny toerana ao anatin’ny 48 ora.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2015
Actualités.Fangataham-bady nivadika sakoroka Olona roa naratra mafy voavely tavoahangy

Very ny soatoavina malagasy. Mora romotra sy tia ady ny olona amin’izao. Ady saritaka no niafaran’ny fangataham-bady tany ambanivohitry ny kaominina Ankililoaka Toliara II, ny alatsinainy teo. Fahataram-potoana no fototry ny olana, hoy ny vaovao voaray avy any an-toerana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2015
Actualités.Fety Silamo Nekena ho anisan’ireo andro tsy fiasana

Nanapa-kevitra ny fitondrana Rajaonarimampianina tamin’ny alalan’ny filankevitry ny governemanta notanterahana omaly fa dia hampidirina ho anisan’ireo andro tsy fiasana kanefa handraisan-karama eto Madagasikara ny andro roa manamarika ny finoana Silamo dia ny 18 jolay 2015

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2015
Actualités.Fifidianana ben'ny tanàna Tsy ho raikitra anio indray ny fandraisana dosie

Rahoviana ihany ? In-telo nanao vinavina ny CENI-T mba hanombohana ny fandraisana ny dosie firotsahan-kofidian'ireo kandida hirotsaka hofidiana Ben'ny tanàna : 3 martsa, 18 martsa, 25 martsa Hatramin'ny omaly anefa tsy tonga teo am-pelatanan'ny CENI-T ireo didim-panjakana milaza izany. Na ny filankevitry ny governemanta omaly teny Mahazoarivo aza tsy nanisy resaka na in-draim-bava monja mikasika izany.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2015
Actualités.Fikambanana Masikoro Mitsipaka ny fitrandrahana ny ala Mikea

Mirimorimo be loatra ny fanomezana tany ireo vahiny eto Madagasikara tao anatin’ny taona vitsivitsy, hoy ny Fikambanana Masikoro.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 25 Martsa 2015
Actualités.Oniversiten’Antsiranana Lasa “ZONE ROUGE”, Bajaj iray nodoran’ny mpianatra

Miditra amin’ny herinandro faharoa ny fitokonan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana. Tsy misy fianarana vanona any an-toerana. Feno barazy avokoa ny lalana miditra ny onioversite ary lasa faritra mena tanteraka. Nisy Bajaj nanatitra mpianatra tafatsofoka ny faritry ny oniversite ny alahady alina. Sendra ny mpiandry barazy, ary dia nitondra faisana.

Hamaky ny tohiny
FTT