Miditra amin’ny herinandro faharoa ny fitokonan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Antsiranana. Tsy misy fianarana vanona any an-toerana. Feno barazy avokoa ny lalana miditra ny onioversite ary lasa faritra mena tanteraka. Nisy Bajaj nanatitra mpianatra tafatsofoka ny faritry ny oniversite ny alahady alina. Sendra ny mpiandry barazy, ary dia nitondra faisana.
Niezaka nifampiraharaha ny mpamily ilay Bajaj, ka vonona hanome ny vola maty tany aminy, mba hamotsorana ilay Bajaj saingy niala maina. Afaka nanavo-tena nitondra ny fanalahidy sy ny taratasin’ny Bajaj ilay mpamily, ilay Bajaj kosa natosiky ny mpianatra namonjy teny afovoan’ny campus, nanoloana ny Bloc G ary nodoran’izy ireo. Nisy polisy tonga ny alatsinainy nikasa hanokatra fanadihadiana, saingy niveri-maina satria efa tena mafana ny toe-draharaha. Omaly talata dia nikasa ny hivoaka ny faritry ny oniversite, hiakatra “ville” handrava mpianatra ireo mpitokona saingy nihemotra tamin’ny ora farany. Fitakiana ny handoavana vatsim-pianarana efa-bolana, miampy fampitaovana, ny hamerenana ny jiro eny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra, ny hizarana ny trano ao “Béryl Rose” hitoeran’ny mpianatra, ary ny mangarahara mikasika ny vola 100 tapitrisa Ariary nampanantenaina azy ireo, noho ity oniversiten’Antsiranana nahavita taom-pianarana tsy nisy raorao tamin’ny taon-dasa, no fototry fitokonan’ny mpianatra ka tsy mbola ahitam-bahaolana hatramin’izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.