Very ny soatoavina malagasy. Mora romotra sy tia ady ny olona amin’izao. Ady saritaka no niafaran’ny fangataham-bady tany ambanivohitry ny kaominina Ankililoaka Toliara II, ny alatsinainy teo. Fahataram-potoana no fototry ny olana, hoy ny vaovao voaray avy any an-toerana.
Niteraka fimenomenonana teo amin’ny havan’ny vavy izany, satria ny sabotsy teo no tokony hatao ny fangataham-bady, kanefa afak’omaly vao raikitra, satria mbola nanara-dia omby very lasan’ny dahalo ny fianakavian’ny lahy.
Samy mamo, raikitra ny ady
Rehefa samy varimbarin’ny toaka dia raikitra ny taim-bava. Tsy nijanona ho fifamaliana tamin’ny roa tonta intsony izany fa niafara tamin’ny sakoroka. Notifirin’ny dadatoan’ny lahy totohondry ny vavan’ny rain-jazavavy. Nahita izany ny havany dia namely ihany koa. Korontana no niafarany. Olona roa naratra mafy voavely tavoahangy ary niparitaka hatramin’ny sakafo teo ambony latabatra, hoy hatrany ny vaovao voaray.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.