Actualités

Fandravana trano teny Anosibe Misy sarintsarina hafetsifetsena …


  • Alarobia 25 Martsa 2015

Nisehoana fandravan-trano indray omaly talata teny Anosibe ampitan’ny tsena manoloana ny fiantsonan’ireo fiarabe mpitatitra entana avy aty atsimo. Efa tamin’ny zoma no nahazo taratasy filazana avy amin’ny olona nilaza ho tompon’ny tany ara-dalŕna ny tsy maintsy hialan-dry zareo ny toerana ao anatin’ny 48 ora.

 

 Omaly talata vao maraim-be, tany amin’ny 5 ora mahery kely tany raha ny heno teny an-toerana, no tonga namoha ireo tompon-trano maromaro ny polisy tokony ho 30 tany ho avy niaraka tamin’ny vadin-tany ka nilaza tamin’ny mpanofa tany vitsivitsy fa tokony horavan-dry zareo tsimoramora ny trano honenany mba tsy hanaovana am-boletra. Tsy nanam-pidiny izahay, hoy ny mpanofa tany iray, fa namoha ny zaza mbola natory dia namoaka ny entana ary nandrava ny trano nonenanay ihany koa. Trano 5 teo ihany izahay no tena noravana raha tokony ho 12 no hanatanteraka izany ka tsy fantatra izay nifanarahan’ireto ambiny 7 tamin’io tompon-tany vaovao io. Izahay rava trano aloha izao dia lasa traboina vaovao indray, tsy mba vokatry ny loza voajanahary akory fa vokatry ny setrasetran’olombelona. Tompon-tany vaovao ity nilaza ho nividy ny tany tamin’ny Seimad ity ka nahazoany taratasy ny amin’izany. Ilay tena tompon-tany teo aloha kosa moa izay efa nodimandry dia namela mpandimby ka any amin’ireo taranany ireo ny taratasy mazava ny maha an-dry zareo ny tany ary vita baorina ara-dalàna izany.  Efa nambaranay foana tao ho ao, hoy ny Hafari Malagasy raha nandre sy nijery ifotony ity fitohizan’ny fandravan-trano eto an-drenivohitra ity, fa tsy hitsahatra fa hitombo an’aliny aza ireo ho rava trano eto amintsika raha tsy amboarina haingana ny lalàna mikasika ny zon’ny mpanajary tany. Io lalàna io no tokony havoaka aloha vao miroso amin’ny fizarana tanim-panjakana izany ny tompon’andraikitra mahefa. Tsy hangina mihitsy izahay, hoy ireto Hafari ireto raha mbola misy ny zara vilana tsy manome tombony ny Malagasy tompon’ny tany.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT