Actualités

Fifidianana ben'ny tanŕna Tsy ho raikitra anio indray ny fandraisana dosie


  • Alarobia 25 Martsa 2015

Rahoviana ihany ? In-telo nanao vinavina ny CENI-T mba hanombohana ny fandraisana ny dosie firotsahan-kofidian'ireo kandida hirotsaka hofidiana Ben'ny tanŕna : 3 martsa, 18 martsa, 25 martsa Hatramin'ny omaly anefa tsy tonga teo am-pelatanan'ny CENI-T ireo didim-panjakana milaza izany. Na ny filankevitry ny governemanta omaly teny Mahazoarivo aza tsy nanisy resaka na in-draim-bava monja mikasika izany.

 

 

Tsy raikitra anio 25 martsa, araka ny novinavinaina indray araka izany ny fanombohana ny fandraisana dosien'ireo kandida Ben'ny tanàna sy mpanolotsaina. Na nivoaka omaly nandritra ny filankevitry ny governemanta ihany koa aza anefa izany didim-panjakana izany dia tsy afaka hiasa eo no ho eo ny OVEC na vaomiera natao handray ny dosie satria tsy ny distrika rehetra no misy mpitsara sy mpiasan'ny sampandraharahan'ny hetra, handrafitra ny OVEC hanamarina ny dosien'ireo kandida na mahafeno fepetra na tsia. Mbola mila fotoana ny fananganana azy. Manana hatramin'ny 17 aprily ny fanjakana hamitana izany, raha tsy izay dia tsy voahaja ny datin'ny 17 jolay heverina hanatanterahana ny fifidianana kaominaly.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT