Actualités

Fikambanana Masikoro Mitsipaka ny fitrandrahana ny ala Mikea


  • Alarobia 25 Martsa 2015

Mirimorimo be loatra ny fanomezana tany ireo vahiny eto Madagasikara tao anatin’ny taona vitsivitsy, hoy ny Fikambanana Masikoro.

 

 Loza mitatao ho an’ny faritra Atsimo Andrefana koa ankehitriny ny fanomezan-dalana tsy ho ela ny orinasa aostralianina «Toliara Sands» hitrandraka fasimainty ao amin’ny ala Mikea midadasika amin’ny velarantany ana hekitara maromaro. Sonia fanomezana alalana avy amin’ny «Office National de l’Environnement» mantsy sisa andrasana dia afaka manao izay danin’ny kibony amin’ny fampiasana ny toerana manomboka ao Ifaty hatrany Mangily ity orinasa vahiny ity, araka ny fanazavana nomen’ireo mpikambana ao amin’ny FIMA tarihin’ny filoha Zafy Fihaora Robson teny Andrefan’Ambohijanahary omaly.

Sonia miaro fitaka

Fomba mamohehatra efa fanaon’ireo andian’olona voakarama manokana tahaka ny mahazatra amin’ny fanomezana tany ny vahiny ny fanangonan-tsonia miaro fitaka. Nosandaina 5.000 ariary izay volabe tokoa any an-toerana ny sonian’ireo ampahan’olona azo nofetsena tao amin’ny distrikan’Ankililaoka tamin’ity indray mitoraka ity, hoy ny fikambanana Masikoro. Mitsipaka marindrano ny fitrandrahana ny ala Mikea kosa anefa ny 84%-n’ny mponina ka izao mampaneno lakolosy amin’ny fitondram-panjakana foibe izao hanakana ity tetikasa fitrandrahana 20 taona hiteraka ny fanimbana ny tontolo iainana ity. Famonoana ny mponina Masikoro rahateo ny fandripahana ny ala Mikea satria ho ringana tanteraka miaraka amin’izay ihany koa ireo ovy ala fototsakafon’izy ireo. Fanamarihan’ireo mpitondra tenin’ny FIMA ny voka-dratsin’ny fitrandrahana fasimainty ao Taolagnaro ankehitriny. Tsy hita taratra mihitsy mantsy ny fampandrosoana nampanantenaina fa vehivavy momba sy ankizy mitondra kilema no mameno ny tanàna.  

Ramano F.

Sary fampihaingoana : Fihaonan’ny Fikambanana Masikoro tamin’ny mpanao gazety teny Andrefan’Ambohijanahary

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT