• Zoma 27 Martsa 2015
Actualités.29 martsa any Mahajanga Voatohintohina amin’ny hetsika maro samihafa

Na dia efa fantatra isan-taona aza ny datin’ny 29 martsa 1947 izay nanao ny tolona lehibe teto amin’ny firenena dia mbola maro hatrany ireo fikambanana, fiangonana no sahy manao hetsika ao anatin’io fotoana izay manan-tantara eto Madagasikara io.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 27 Martsa 2015
Actualités.BOA MAHAJANGA Miezaka mafy manamboatra ireo milina simba

Nampanantena ny tompon’andraikitry ny banky Boa fa ho vita amin’ity herinandro ity ny fanamboarana ireo milina rehetra ao Mahajanga izay niteraka fahatezeran’ireo mpanjifa amin’ny fakana vola.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 27 Martsa 2015
Actualités.Vaky trano any Ambatondrazaka Voasambotra ireo atidoha nikotrika azy

Am-polony mahery ankehitriny ireo olona voasambotry ny polisy Ambatondrazaka noho ny raharaha vaky trano sy ny fanakorontanana fiarahamonina. Misy amin’izy ireo no atidoha nikotrika ilay vaky trano nahaverezana vola 1.600.000 ariary miampy fitaovana sarobidy maromaro tao Antsahalava Ambatondrazaka ny alakamisy hifoha ny zoma teo.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 27 Martsa 2015
Actualités.Fangalarana ny soliky ny Jirama Olona 7 migadra any Toamasina

“Tsy mandefitra amin’ny fanaovana baranahana ny fananam-bahoaka eto anivon’ny Jirama ny tenako, izay tratra dia tsy maintsy mizaka ny saziny fa efa betsaka loatra ny gaboraraka izay lasa manabotry sy mahatonga ny orinasa amin’izao toerana misy azy izao”.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 27 Martsa 2015
Actualités.Haratsian’ny lalana sy gaboraraka Mampirongatra ny lozam-pifamoivoizana

Potika sy lasa lavadavaka ny ankamaroan’ireo lalana ao Toliara tampon-tanàna vokatry ny ranon’orana sy tsy fahampian’ny fikojakojana. Vokatry ny haratsian-dalana, tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana noho ny gaboraraka, misy sahy manorina trano ambony « trottoir » toerana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra, dia nisesisesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana ao Toliara.

Hamaky ny tohiny
  • Zoma 27 Martsa 2015
Actualités.Mpangala-jaza tany Toliara Saika niharan’ny hatezeram-bahoaka

Tsy hay na niakatra ny herin’ny rongony nofohana na nody adala rehefa voasambotra. Lehilahy sahabo ho 40 taona mahery no voasambotry ny polisy, omaly antoandro, tamin’ny 12 ora, teo ampitan’ny biraon’ny Paositra Malagasy Toliara.

Hamaky ny tohiny
FTT