Tsy hay na niakatra ny herin’ny rongony nofohana na nody adala rehefa voasambotra. Lehilahy sahabo ho 40 taona mahery no voasambotry ny polisy, omaly antoandro, tamin’ny 12 ora, teo ampitan’ny biraon’ny Paositra Malagasy Toliara.
Raha ny fanazavana azo tamin’ireo nanatri-maso dia nangalatra zazavavikely sahabo 4 taona notrotroin-jokiny vavy 11 taona izy io, ka nifanenjehan’ny olona. Tsy vitan’izany fa mbola nodarohany io zaza io ka nitomany nigogogogo rehefa nanohitra ny fikasan-dratsiny. Tezitra ny olona nanatri-maso ka nanenjika azy, ary saika raikitra ny fitsaram-bahoaka. Soa fa sendra nandalo teo tamin’io fotoana io ny fiara 4x4-n’ny polisy. Mbola nanohitra ny mpitandro filaminana ity mpangala-jaza ity rehefa nosamborina sy naiditra tao anaty fiara.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.