“Tsy mandefitra amin’ny fanaovana baranahana ny fananam-bahoaka eto anivon’ny Jirama ny tenako, izay tratra dia tsy maintsy mizaka ny saziny fa efa betsaka loatra ny gaboraraka izay lasa manabotry sy mahatonga ny orinasa amin’izao toerana misy azy izao”.
Io no nambaran’ny talen’ny Jirama Toamasina, Raveloson Leonard, mikasika ny hetsika atao amin’ny fanenjehana ny halatra solika mitranga eo anivon’ny orinasa. Nisy noho izany ny hetsika fisavana nataon’ny jirama Toamasina niaraka tamin’ny zandary ny herinandro lasa teo, izay nahatrarana olona 8 nangalatra solika 165 litatra. Taorian’ny fanadihadian’ny zandary sy ny fiakaran’ny raharaha teo anivon’ny fitsarana, 7 tamin’ireo mpiambina 8 voasambotra no miandry fitsarana ao Ambalatavoahangy Toamasina. Nomarihan’ity tale ity hatrany fa misy izao ny famolavolana lalàna vaovao hanasaziana hatramin’ny 10 taona ireo mpangalatra solika sy herinaratra ary rano eo anivon’ny Jirama. Fantatra mantsy izao fa ny 1/3-n’ny vola 1 miliara ariary avoakan’ny fanjakana hanampiana ny jirama manjavona avokoa, sy 1/3-n’ny mpampiasa herinaratra sy rano koa vokatry ny halatra avokoa. Ankoatra izay, tsy ny halatra solika ihany no hanaovana ny hetsika, hoy Atoa Raveloson Leonard, fa ho avy koa ny fisavana ireo trano mpangalatra herinaratra sy rano, izay anisan’ny mahatonga olana goavana amin’ny herinaratra sy tsy fahampian-drano amin’ny faritra sasany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.