Actualités

Haratsian’ny lalana sy gaboraraka Mampirongatra ny lozam-pifamoivoizana


  • Zoma 27 Martsa 2015

Potika sy lasa lavadavaka ny ankamaroan’ireo lalana ao Toliara tampon-tanŕna vokatry ny ranon’orana sy tsy fahampian’ny fikojakojana. Vokatry ny haratsian-dalana, tsy fanajana ny lalŕna mifehy ny fifamoivoizana noho ny gaboraraka, misy sahy manorina trano ambony « trottoir » toerana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra, dia nisesisesy tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana ao Toliara.

 

Tamin’ity herinandro ity, tsy latsaky ny dimy raha kely indrindra ny loza niseho  nandratrana olona, toy ilay tovolahy mamo nitondra moto nandeha mafy niala lavaka nianjera ka vaky loha ary torana. Tao koa ilay « cyclo-pousse » sy bisikileta nifandona ka naha tapa-tanana ramatoa iray. Nisy koa moto sy posy nifanoroka ka naha tapa-tongotra mpanao gazety iray izay tsy maintsy nodidina … Saika isan’andro ny posy-bisikileta mivadika tampoka eny am-pandehanana miala lavaka mandratra olona. Afak’omaly antoandro, fiarabe iray nitondra kaontenera no nitongilana nianjera ny entana nentiny ary nanindry nandratra mpivarotra iray izay mbola manaraka fitsaboana hatramin’izao.

Eric R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT