Na dia efa fantatra isan-taona aza ny datin’ny 29 martsa 1947 izay nanao ny tolona lehibe teto amin’ny firenena dia mbola maro hatrany ireo fikambanana, fiangonana no sahy manao hetsika ao anatin’io fotoana izay manan-tantara eto Madagasikara io.
Raha ny zava-misy ao Mahajanga dia hetsika telo be izao no indray atao mandritra ny fankalazana io daty lehibe io izay mitovy amin’ny ora hanatanterahana ny fanateran-boninkazo ny ankamaroany. Fahagagana sy hatezerana ny an’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny kolontsaina sy ny vakoka raha nahita ny fanentanana amin’ny fahitalavitra amin’io daty io. Tsy misy ny fifampiresahana amin’ireo mpikarakara ny hetsika 29 martsa sy ny fikambanana manao hetsika hafa ireo fa dia samy manao izay saim-pantany. Midika izany, hoy ny talem-paritry ny kolontsaina Boeny Rasoazanamiadana Olga fa hamaivanin’ny Malagasy io fotoana lehibe io ka tokony hisy ny didim-panjakana hanakana ireo hetsika samihafa atao mandritra ny fankalazana ny daty amin’ny tolom-piavotana ny fiandrianam-pirenena io.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.