Actualités

BOA MAHAJANGA Miezaka mafy manamboatra ireo milina simba


  • Zoma 27 Martsa 2015

Nampanantena ny tompon’andraikitry ny banky Boa fa ho vita amin’ity herinandro ity ny fanamboarana ireo milina rehetra ao Mahajanga izay niteraka fahatezeran’ireo mpanjifa amin’ny fakana vola.

 

Raha ny olana ireo milina dia efa saika efa ela no nampiasana azy ireo ka tokony hisy ny fanavaozana azy io. Mandritra izay anefa dia hisy ny teknisianina avy any  amin’ny foiben’io banky io hijery sy hanara-maso ny fanamboarana ireo milina ireo izay isam-bolana tsy maintsy hijerena ireo milina ireo mba ahafahana miasa. Tafiditra tao anatin’ny fotoana fakana vola isam-bolana ny fahasimban’ireo milina ireo ka nïafara tamin’ny filaharana be sy ny fijanonana ela eo amin’ny milina. Anio zoma no fantatra fa ho tonga ao an-toerana ireo tompon’andraikitra ara-teknika hijery ny olana ireo milina ireo. Saika ny milina manerana ny masoivohon’ny banky ao Mahajanga dia ahitana io olana io hatrany. Azon’ireo mpanjifa atao kosa anefa ny mampiasa ny karatra “visa” izay mandeha amin’ny banky mba hialana amin’ny filaharana lavareny. Ny banky rahateo dia miara-miasa amin’ny tambajotram-pifandraisana izay azo hakana vola koa. Ho afaka, araka izany, ny olan’ny mpanjifa ity banky ity aorian’ny fanamboarana ireo milina ireo.

                                                                                                                                   Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT