Am-polony mahery ankehitriny ireo olona voasambotry ny polisy Ambatondrazaka noho ny raharaha vaky trano sy ny fanakorontanana fiarahamonina. Misy amin’izy ireo no atidoha nikotrika ilay vaky trano nahaverezana vola 1.600.000 ariary miampy fitaovana sarobidy maromaro tao Antsahalava Ambatondrazaka ny alakamisy hifoha ny zoma teo.
Jiolahy dimy izy ireo tamin’izany no nanafika ilay tokantrano niaraka tamin’ny basy poleta. Sady nitaky vola izy ireo no nidaroka ny tompontrano. Rehefa lasan’ny jiolahy izay nilainy dia nandositra izy ireo. Niantso ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ireo niharam-boina ka nandray ny andraikiny ny polisy ao Ambatondrazaka. Sarona tamin’ny fiandohan’ity herinandro ireo atidoha tamin’io vaky trano io niaraka tamin’ny lelavola 2.200.000 ariary mahery. Fantatra fa gadra afaka tamin’ny 15 janoary lasa teo ny ankamaroan’izy ireo. Mbola manohy ny fikarohana ireo heverina fa mpiray tsikombakomba amin’izy ireo ankehitriny ny polisim-pirenena ao Ambatondrazaka. Manao antso amin’ny vahoaka ao Ambatondrazaka ny kaomisera divizionera Rakotoarivony Herman M. mba hanohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vahoaka fa izay ihany no hahafahana miady haingana amin’ny tsy fandriampahalemana. Nomarihany fa ny loharanom-baovao avy tamin’ireo tsara sitrapo no nahafahana nanao ny fanamborana ireo atidohan’ny vaky trano ao Ambatondrazaka.
NiryA
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.