• Alarobia 15 Aprily 2015
Actualités.Mpampianatra teknika ao Mahajanga 9 volana tsy nandray karama

Tao anatin’ny herintaona dia niezaka tsy namoaka ny fitarainana ireo mpampianatra tsy miankina ara-teknika manoloana ny tsy fandraisan’izy ireo ny karamany isam-bolana.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 15 Aprily 2015
Actualités.Mahajanga Niverina indray ny delestazy lavareny

Na dia efa tonga aza ny milina izay nandrasana mba ialana amin’ny delestazy dia tsy afaka hatrany io aretina iray io fa ny solika indray izao no olana mampisy ny fiverenan’ny delestazy ao Mahajanga hoy ny tompon’andraikitra ny orinasa Jirama.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 15 Aprily 2015
Actualités.JCI ANTANANARIVO Hanatanteraka tetikasa maro hanampiana ny mpiara-belona

Hanatanteraka tetikasa maro entina hanampiana ny mpiara-belona ny fikambanana JCI Antananarivo amin’ity taona 2015 ity. Miisa efatra izy ireo no tena laharam-pahamehana ao anatin’izany, izay nampahafantarin’izy ireo omaly. Anisan’ireny ny ady amin’ny tsy fananan’asa ao anatin’ilay tetikasa “emploie et éducation”.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 15 Aprily 2015
Actualités.“Kidnapping”, fanafihana mitam-basy Voasambotra i Anselme jiolahy ikoizana

Voasambotry ny polisy, ny alatsinainy maraina teo, tamin’ny 8 ora, tany Morarano any amin’ny kaominina ambanivohitra Andranovory, 77 km avaratra atsinanan’i Toliara, i Anselme jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny sy mpanao fanafihana mitam-basy ikoizana ao Toliara, izay nandray anjara mivantana tamin’ny fakana an-keriny teratany karana tao Toliara ka nahazo vola 35 tapitrisa ariary, ny 17 febroary lasa teo. Nitsoaka izy rehefa voasambotra ireo namany sivy izay any am-ponja amin’izao. Nahazo loharanom-baovao marim-pototra avy tamin’olon-tsotra tsara sitrapo ny mpitandro ny filaminana. Fantatra ny toerana niafenany ka nirosoana ny fisamborana azy. Niafina tao anaty alan-katsaka i Anselme ary nandositra raha vao nahita ny polisy. Nifanenjehana ary tratra tao anaty kirihitr’ala.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 15 Aprily 2015
Actualités.Mahajanga Milamina ny Oniversite

Milamina ankehitriny ny Oniversiten’i Mahajanga. Porofon’izany ny famoahany ireo mpianatra miisa 452, mizara andiany roa, avy ao amin’ny Ivontoeram-pampianarana ambony momba ny Fitantanana na IUGM (Institut Universitaire de Gestion et de Management) ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Tranoben’ny kolontsaina.

Hamaky ny tohiny
  • Alarobia 15 Aprily 2015
Actualités.ORINASA STAR Nanolotra « couveuse » ho an’ny pavillon Sainte Fleur

Miisa dimy amin’izao ny isan’ireo couveuse ampiasain’ny pavillon Sainte Fleur etsy Ampefiloha.

Hamaky ny tohiny
FTT