Voasambotry ny polisy, ny alatsinainy maraina teo, tamin’ny 8 ora, tany Morarano any amin’ny kaominina ambanivohitra Andranovory, 77 km avaratra atsinanan’i Toliara, i Anselme jiolahy raindahiny amin’ny fakana an-keriny sy mpanao fanafihana mitam-basy ikoizana ao Toliara, izay nandray anjara mivantana tamin’ny fakana an-keriny teratany karana tao Toliara ka nahazo vola 35 tapitrisa ariary, ny 17 febroary lasa teo. Nitsoaka izy rehefa voasambotra ireo namany sivy izay any am-ponja amin’izao. Nahazo loharanom-baovao marim-pototra avy tamin’olon-tsotra tsara sitrapo ny mpitandro ny filaminana. Fantatra ny toerana niafenany ka nirosoana ny fisamborana azy. Niafina tao anaty alan-katsaka i Anselme ary nandositra raha vao nahita ny polisy. Nifanenjehana ary tratra tao anaty kirihitr’ala.
Tambajotra matanjaka
Niaiky ny heloka vitany ity jiolahy ity tamin’ny famotorana natao azy ary nanome vaovao ny mpitandro filaminana manampy amin’ny fikarohana ireo namany maromaro mbola any am-pandosirana, karohina fatratra amin’izao. Efa nigadra noho ny fanafihana mitam-basy ity jiolahy voasambotra ity, kanefa isaky ny tafavoaka ny fonja izy dia manohy hatrany ny asa ratsiny. «Tambajotra matanjaka no misy an’i Anselme ka tsy maintsy ravana», hoy ny polisy. Omaly no natolotra ny fitsarana ity «gangs» ity.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.