Miisa dimy amin’izao ny isan’ireo couveuse ampiasain’ny pavillon Sainte Fleur etsy Ampefiloha.
Vao notoloran’ny orinasa Star iray vaovao mantsy izy ireo omaly entina hanatsarana sy hampiroboroboana ny fikarakarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza eo anivon’ity hopitaly fiterahana iray ity. Mitentim-bidy 19 tapitrisa Ar io fitaovana io. Tena fanampiana lehibe ho an’ny Sainte Fleur izany raha araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao an-toerana. Mahatratra 300 isan-taona eo ho eo mantsy ireo zaza hampidirina couveuse ao amin’ny sampana neonatale eo anivon’ny hopitaly ity raha vao teraka, mahatratra 2 600 isan-taona kosa ireo mpiteraka. Na izany aza, anefa tsy lafo ny saran’ny fampiasana io couveuse io fa ny vidin’ny fanafody ilain’ireo zaza menavava ao amin’io sampandraharaha iray io no tena manavesatra ny ray aman-dreny. Marihina moa fa efa niara-niasa tamin’ny orinasa Star tao anatin’ilay tetikasa « Bébé eau vive » ny pavillon Sainte Fleur.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.