Actualités

JCI ANTANANARIVO Hanatanteraka tetikasa maro hanampiana ny mpiara-belona


  • Alarobia 15 Aprily 2015

Hanatanteraka tetikasa maro entina hanampiana ny mpiara-belona ny fikambanana JCI Antananarivo amin’ity taona 2015 ity. Miisa efatra izy ireo no tena laharam-pahamehana ao anatin’izany, izay nampahafantarin’izy ireo omaly. Anisan’ireny ny ady amin’ny tsy fananan’asa ao anatin’ilay tetikasa “emploie et éducation”.

 

 Ny fanohanana sy fanampiana ara-teknika ireo vehivavy mpandraharaha eto amintsika, ny ady hatao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ireo ankizy mpianatra eny anivon’ireo sekoly ambaratonga fototra vitsivitsy eto an-drenivohitra ary farany izay tsy kely akory dia ny fampahafantarana ny fikambanana. Mikasika ilay ady hatao amin’ny tsy fanjarian-tsakafo manokana dia hiarahan’ny JCI Antananarivo amin’ny Office National de Nutrition izy io raha araka ny fanazavan’ny filohany Ratsimbazafy Mireille. Hisy ny fanomezana fampiofanana ireo fianakavian’ny mpianatra mandritra izany momba ny fisakafoanana ara-pahasalamana nefa be otrik’aina no sady tsy lafo.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT